Catégorie Actus



DAH MAMA : Nizara fanomezana ho an’ny reny sy ny zaza marary.


Mpanakanto tsy izoviana amin’ny Malagasy i Dah-Mama. Isan-taona izy no manome fanomezana ho an’ny mpiray tanindrazana aminy. Tamin’ity taona ity,  reny sy ny zaza marary miisa 18 tao amin’ny “Hopital mere et enfant Ambohimiandra” no nahazo ny anjarany, toy ny vatomamy, vovo-tsavony, savony, vola… Ho fanampiana  azy ireo amin’izao fety ho avy izao. Tsy diso anjara ihany koa ny hopitaly satria nanolotra lay misy ody moka miisa 30 ity mpanakanto ity. Continuer la lecture